Nihaona sy niresaka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian nandritra ny diany niatrika ny Fivoriambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana.
Fotoana nisaoran’io Lehiben’ny ONU io ny fizorana am-pilaminana tamin’ny fifandimbiasam-pahefana tamin’ny fifidianana Filoha farany teo. Noresahin’ny roa tonta ny mahakasika ny fanampiana an’i Madagasikara ahitana ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana lovain-javy sy ny vina mijery lavitra hampihenana ny faharefoan’ny firenena manoloana ny fiovaovana ara-toetr’andro. Fihaonana maro no nifanaovan`ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, Ntsay Christian tamin`ireo tompon’andraiki-panjakana sy lehibena fandaharanasa iraisam-pirenena mandritra ny diany any New-York. Voaresaka tao ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika amin`i Irlande sy fanatsarana ny famokarana ara-bary eto Madagasikara. Maniry hanatsara fifandraisana amin`i Madagasikara ny filoham-pirenena Irlande, Michael D. Higgins nandritra ny fihaonana tamin`ny praiminisotra ny 26 septambra lasa teo. Nojerena ny sehatra azo hiaraha-miasa toy ny fampianarana, ny fanofanana ara-teknika sy ny fizahantany, fanaovana jery todika amin`ny fifandraisan`i Madagasikara sy Amerika indray no nifantohan`ny adihevitra nandritra ny fihaonana tamin`ny lefitry ny sekretariam-panjakana amerikanina. Fantatra fa mpandraharaha maro no liana hampiasa vola eto Madagasikaraka anisan`ny sehatra misokatra amin`izany ny angovo, ny fizahantany, ny harena ankibon`ny tany, ny fambolena ary ny fotodrafitrasa. Noresahina koa ny fanjakana tsara tantana, ny fampanjakana ny demokrasia, ary ny fitandroana ny fanajana ny zon`olombelona. Nahazo fankasitrahana manokana i Madagasikara, indrindra manoloana ny ady amin`ny fanondranana olona sy fampiasana zaza tsy ampy taona. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasan`i Madagasikara amin`ny FAO indray no votoatin`ny fihaonan`ny PM tamin`ny tale jeneraly misahana ny fambolena sy ny sakafo eo anivon`ny Firenena mikambana. Tamin`izany no nahafantarana fa hisy tetikasa mitentina 20 tapitrisa dolara hanatsarana ny famokaram-bary eto Madagasikara sy any Sina. Teboka maro manodidina ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena no voaresaka toy ny ady amin`ny valala sy olatra mpanimba voly, fampiasana masomboly nohatsaraina ary ny ady amin`ny fiovaovan`ny toetrandro. Farany ny fihaonan`ny praiminisitra tamin`ireo tompon’andraikitry ny sambo hopitaly Mercy Ships . Ankoatra ny fanohizana ny fampiantsoanana ny sambo ho amin`ny taona ho avy, mikasa hametraka birao maharitra ity fikambanana misehtra amin`ny lafiny fahasalamana, indrindra ny fandidiana ka hisy fiaraha-midinika amin`ny minisiteran`ny raharaham-bahiny sy fahasalamam-bahoaka momba izany. Ny sabotsy 28 septambra moa no nandray anjara fitenenany ny praiministra Ntsay Christian ka niompana taminà teboka telo lehibe ny lahateniny: fanamafisana ny demokrasia, fanjakana tsara tantana ary ny fiandrianam-pirenena; ady amin`ny fahantrana lalina; ary ny fiovaovan`ny toetr`andro. Voaporofo indray fa tena hatokisan`ny iraisam-pirenena ity praiminisitra ity nandritra ny diany any New-York izay hanatanterahana ny fivoriamben` ny Firenena Mikambana. Maro rahateo ny olom-pirenena milaza fa olon`ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Ntsay Christian, noho izy niasa nandritra ny taona maro tao amin`ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT), sampandraharaha lehibe iray eo anivon`ny Firenena Mikamba.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.