Politique

Sehatra iraisam-pirenena Manao mizana tsindrian’ila


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Manjavozavo be ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Tandidomin-doza ny zotram-pifidianana. Miray feo ny sehatra iraisam-pirenena fa tokony hiala an-daharana ny kandida telo.

 Araka ireo karazana fanambarana navoakan’ny SADC, ny Vondrona Afrikanina ary ny Vondrona ny dia hoe : mampilamina ny toe-draharaha ny tsy fandraisan’anjaran’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana (CPS) ao amin’ny Vondrona Afrikanina moa dia nilaza tao anatin’ilay fanambarana navoakany ny alakamisy 16 mey teo fa : «tsy eken’ny Vondrona Afrikanina ny handraisan’ny olona nanongam-panjakana na nahazo tombotsoa avy amin’izany, amin’ny fifidianana izay hamerenana ny tany tan-dalana…». Atoa Andry Rajoelina no resahana eto, koa raha izany ho izy dia tsy mahazo milatsaka hofidiana koa izany ireo rehetra niaraka tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, izay mbola tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo olona 109 nosazian’ny CPS. Eo i Hajo Andrianainarivelo, Jean Lahiniriko, Roland Ratsiraka, Monja Roindefo, Voninahitsy Jean Eugene, Dolin Rasolosoa...

Niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony ireo olona ireo ary nahazo tombotsoa tamin’ilay fanonganam-panjakana, koa raha mihintsana Rajoelina dia tokony mihintsana koa izy ireo. Ary maro no mihevitra fa tokony vao nivoaka tamin’ny 3 mey ny lisitry ny kandida dia tokony efa niteny haingana ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikana fa tsy azo ekena ireo kandida voasazy ; dia efa mba hita haingana ny vahaolana taorian’izay ary tsy miteraka olana tahaka izao ilay izy. Hafahafa ihany ilay fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena ary tena manakorontana ny zava-drehetra mihitsy, raha ny fahitana azy. Ny mahatalanjona amin’ity resaka ity dia hoe : nahoana no nampidirina ao anatin’ireo kandida tokony hiala an-daharana Rtoa Lalao Ravalomanana, izay tsy voasazy na amin’ny lalàna eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy voasaringotra tamin’ny raharaha politika nahatonga ny krizy koa izy, ary tsy nahazo tombotsoa tamin’ny fanonganam-panjakana. Ka nahoana no terena hitsoaka an-daharana tsotra izao ? Heverina fa misy zavatra hafa ao ambadik’izao tsindry mafy dia mafy ataon’ny hery iraisam-pirenena izao, ary efa samy mahafantatra ihany ny rehetra hoe firenena vahiny iza no tena miketriketrika mahatonga izao fanapahan-kevitra mitanila izao ary efa mibaribary be hoe : kandida iza no tena tiana ahilika fa mba mody manao sinema fotsiny aloha ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT