Politique

Sehatra iraisam-pirenena Mampiesona fa tsy mandamina


  • Alarobia 22 Mey 2013

Maro no efa mahatsapa ankehitriny fa lalaovin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ary tena misy ny fifanoherana amin’ny fanapahan-kevitra avoaka.

 Nilaza ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-45 fa mahaleotena tanteraka ny fitsarana ary tsy mijabaka amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ao amin’ny firenena mpikambana ao aminy ny SADC. Fijabahana tsotra izao tamin’ny fahaleovantena sy fanapahan-kevitry ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana anefa ny niantsoan’ny filohan’ny Troika avy eo ny SADC mihitsy ny fisitahan’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Hatramin’ny nisian’ny fifampidinihana ho famahana ny krizy dia nilaza foana ireo fikambanana iraisam-pirenena mifandray amintsika tahaka ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina, ny fikambanan’ny Frankofonia, ny SADC, ny Vondrona Eoropeanina fa fifidianana madio sy mangarahara, malalaka ary hahafahan’ny rehetra mandray anjara no tanterahana eto Madagasikara mba hiverenana amin’ny ara-dalana. Izao indray anefa dia manao tsindry bokotra mba hanilihana kandida telo ireo fikambanana iraisam-pirenena ireo.

Raha korontana aorian’ny fifidianana no atahorana, afaka hikarohana vahaolana hafa izany fa tsy voatery ho fanilihana ny kandida telo sokajiana fa mety hahatarika mpifidy maro be, no tena mety indrindra. Matoa tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fitantanan’ankolafy tokana nokasain’i Andry Rajoelina natao teto, dia satria natanjaka ny fanoheran’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy araka ny esoeson-teny anaovan’ny sasany azy, fa tena nahavita zavatra goavana ny tolona eo amin’ny Magro Behoririka ary nanova zavatra maro. Tsy nisy izany fiaraha-mitantana izany raha tsy nisy ny tolon’ny Zanak’i Dada ary mety efa nanao fifidianana natao hampandaniana azy ho filoha fotsiny i Andry Rajoelina dia nisolelaka azy daholo ireo mpanao politika matim-boninahitra sy tia seza dia samy nanao izay mety aminy ny rehetra, ary nitohy hatrany ny asan’ny herim-pamoretana misambotra sy managadra avy hatrany ireo izay sahy miteny ny tsy mety ataon’ny fitondrana. Ka hokosehana mora foana ve izany rehetra izany ?

Atao tahaka ny tsy misy izany ny safidin’ny Malagasy manara-dia ny ankolafy Ravalomanana ? Dia atao tahaka izany koa ireo momba ny ankolafy Rajoelina sy Ratsiraka ? Lasa efa firesaka ny olona eny rehetra eny ny hoe : io fa tonga hampiesona indray ny SADC, raha vao tonga eto i Joaquim Chissano sy i Leonardo Simao. Mahay mandamin-dresaka aok’izany ireto Mozambikanina ireto ary henjana raha hody fanina sy hiala bala. Efa tena leo sy tsy manantena na inona na inona amin’izy ireo intsony raha ny olon-tsotra fa ny mpanao politika ihany no toa mbola mandany andro mivory miaraka amin’izy ireo. Tokony hieritreritra lalina anefa ireo mpanao politika satria, mety hitranga amin’ireo rehetra izay ho lasa mpitondra any aoriana any ny nahazo an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 sy ny manjo an’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana raha toa ka tsy mbola manova ny fomba fisainany sy ny fomba fiasany ny mpanao politika malagasy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT