Tsy mbola ofisialy hatreto ny hoe tendren’ny fanjakana ny sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny atitany Solonandrasana Mahafaly Olivier omaly.
Tsy maintsy handalo eny anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra ny rijan-teny mahakasika io didim-panjakana io hodinihina, hoy izy. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa dia mbola mihaino ny hevitry ny rehetra ny fitondram-panjakana mba hahafantarany ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina sy ny zavatra takiany mba hampirindra ny fampandrosoana. Tianay hoporofoina fa fanjakana mahay mihaino no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, hoy ny minisitry ny atitany sady praiminisitra moa. Dia ho hita eo indray ny tohin’ity resaka ity izay mitovitovy tamin’ilay fikasana hizara ho enina an’Antananarivo. Raha tsy misy feo miakatra sy olona mimenomenona foana ve vao handinika ilay fitondram-panjakana ? Hatrany am-boalohany ve dia tsy takatr’ireo manampahefana fa hampitroatra ny fokonolona izany hoe hotendrena fa tsy hofidian’ny vahoaka mivantana izany ny sefom-pokontany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.