Politique

Sefom-pokontany Mazava ny lalàna : fidiana fa tsy tendrena


  • Talata 29 Oktobra 2019

Ny fokontany no rafitra voalohany eny ifotony ary mahalala tsara ny marary amin`ny vahoaka ao aminy.

 

 

 

Raha ny voalazan`ny didim-panjakana lah. 2009-999  tamin`ny 02 jolay 2009 dia fidiana ny filoham-pokontany. Mifidy olona dimy izay heveriny fa mahafeno fepetra ka afaka mitantana ny tanàna ireo mponina mandritra ny fivoriam-pokonolona. Aorian`izay dia ny lehiben`ny distrika no manendry olona iray amin`ireo dimy izay nomen`ny fokonolona ireo. Tsy izany no zava-misy amin`izao. Raha ny lalàna dia niainga tamin`ny fifidianana vahoaka ihany no voasoratra saingy fanendrena no misy amin`izao ka mety hiteraka voka-dratsy. Amin`izao fifidianana monisipaly sy kaominaly izao ohatra dia sesilany ny fanoloana sefom-pokontany. Noho ny kajikajy politika maloto ve ? Efa mahoraka fa hosoloina ny eny Ivato Ambohidratrimo, ny teny Sabotsy Namehana efa nisy nosoloina, ny eto Antananarivo dia anisan’ny gidragidra amin’izao ny etsy Mahavoky,…Efa nitrangana fanoloana filoham-pokontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Marihana ihany koa fa nangataka tany amin'ny minisiteran'ny Atitany ny CENI mba tsy hanoloana ireo sefo fokontany sy « chef d'arrondissement administratif » amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, mba tsy hanakorontana ny zotram-pifidianana. Tsy “agent electoral” miantsoroka mivantana ny fifidianana ny sefom-pokontany fa izy kosa dia anisan’ny manatitra voka-pifidianana any amin'ny SRMV miaraka amin'ny delege. Miteraka ahiahy amin’ny ho fahadiovan’ny fifidianana hatrany ny tranga tahaka izao. Mila jerena akaiky izy ity raha tena mitady fahadiovan’ny fifidianana marina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT