Manompo vahoaka hatrany izahay na dia tsy nahazo ny tambinkan-rama tao anatin’ny iray taona (2016) mahery iray volana 2017 aza. Io no nambaran’ireo sefom-pokontany ao amin’ny Faritra Menabe raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Morondava.
Nahitsy ny tenin’izy ireo fa faralahin’olona tsy mba jeren’ny fanjakana hatramin’izay ny fokontany, saingy tafahoatra loatra tamin’ity fitondrana indray mitoraka ity. Nilaza izy ireo fa tsy kivy fa vonona hatrany hanome ny zon’ny olona manan-draharaha tonga ao amin’izy ireo. Ataonay amin’izay manandrify anay, saingy « miala tsiny kosa raha raharaham-panjakana, satria efa manilika anay ireo, ka tsy hanompo ny fiainan’izy ireo no antom-pisianay ». Nanamafy ny teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ao Morondava fa tambikan-rama hatramin’ny faran’ny taona 2015 no tonga farany tao amin’izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.