Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.
Tsy mijanona amin’izao anefa ireo ekipan’ny mpitondra ankehitriny fa miezaka manolo izay azo soloina sahady noho ny tahony ireo mpifanandrina aminy. Anisan’ireny ny kandida natolotry ny TIM. Ho an’ny kaominina Ivato manokana dia fantatra fa sefom-pokontany miisa fito no indray nosoloin’ireo mpiara-dia amin’ny fitondram-panjakana omaly. Nisy tamin’ireo sefom-pokontany ireo no vao nosoloiny tamin’ny herinandro ny iray saingy nalany tamin’ny toerany indray omaly, hoy ny loharanom-baovao noho ny fiheverana fa miaraka amin’ny kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara izy ireny. Samy tsy mahalala ny antony sady tsy nisy nampandre ny mikasika ity fanoloana sefom-pokontany tao Ivato omaly ity moa ny kaominina sy ny sefo distrika. Midika ho fanalam-baraka ny filoha Andry Rajoelina moa izao fihetsika hataon’ireo kandida hatolony manolo sefom-pokontany etsy sy eroa izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.