Nanatontosa hetsika fifampiarahabana noho ny asaramanitra, niarahana tamin’ireo sefom-pokontany nanerana an’Antsirabe ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe.
Izy ireo sy ny lefiny ary ireo lehiben’ny boriborintany niisa 6 no nasain’ny ben’ny tanàna. Nambaran’Atoa Paul Razanakolona, Ben’ny tanàna fa tokony homena hasiny izy ireo satria izy ireny no tena akaikin’ny vahoaka. Mila dinihina ihany koa ny rafitra tena akaiky azy na ny distrika na ny kaominina. Ho an’Antsirabe dia manampy ny kaominina amin’ny fitakiana hetra ihany koa ny sefom-pokontany ka anisan’ny nampiakatra ny tahan’ny fidiran-ketra. Notoloran’ny kaominina ny anjara tambin-karama roa volana ireo sefom-pokontanin’Antsirabe.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.