Politique

Sefo fokontany tendrena Fanitsakitsahana ny demokrasia


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Fihemorana sy fanitsakitsahana ny demokrasia eto Madagasikara ny fanapahan-kevitry ny mpitondra hanendry ny sefo fokontany.

 

 Tsy tokony hohadinoina fa ny fokontany no fanjakana voalohany akaiky ny vahoaka, araka ny hevitry ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iaraha-manana. Foana avy hatrany aloha ny lanjan’ilay tamberin’andraikitra mampifandray akaiky ny mpitondra sy ny olona entina eny ifotony. Azo eritreretina mihitsy ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ireo lehiben’ny fokontany sy ny vahoaka iadidiany. Tsy nofidian’ny fiarahamonina mantsy ny mpitantana fa olom-boatendry. Hiteraka akony ratsy maro rahateo eo amin’ny lafiny fampandrosoana ity didy politikan’ny fanjakana foibe ity. Goavana indrindra amin’izany ny tombontsoa manokana ho an’ny antokon’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiara-dia aminy. Hampitombo ny olana mitoetra momba ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy sy ireo voka-pifidianana ho avy ihany koa izy io, araka ny fomba fijerin’ireo fikambanana sy vovonana mivondrona amin’ny Rohy.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT