Manoloana ny fiheveran’ny fanjakana fa mbola bitika sy tsy heverina ho asa masina ny asan’ny sefo Fokontany manerana ny Nosy dia nilaza ireo sefo Fokontany maromaro sendra ny Tia Tanindrazana fa tokony hitovy ny karama raisin’izy ireo sy ny solombavambahoaka
Nambaran’izy ireo fa ny sefo Fokontany no be asa satria mitakosona amin’ny vahoaka, mamorona lalàna ifampifehezana ao amin’ny Fokontany, misahana ny fifidianana, miantoka ny filaminam-bahoaka, itarainan’ny vahoaka voalohany rehefa misy zava-miseho. Raha fanjakana mihevitra fampandrosoana tokoa no misy eto dia ireny sefo Fokontany ireny no tokony homena karama betsaka. Misy depiote tsy mahalala akory ny fiainan’ny vahoaka tantaniny nefa miady karama sy tombontsoa mihoapampana ao Tsimbazaza ao. Misy koa solombavambahoaka mpamitaka nampanantena hanome ny karamany amin’ny Distrika nahalany azy tamin’ny fampielezan-kevitra mba hanaovana asa fampandrosoana nefa tsy tanterahiny izany rehefa lany izy amin’izao fotoana izao. Manoloana io karama vary masaka omen’ny fanjakana ireo sefo Fokontany ireo dia misintona ny sain’ny rehetra izy ireo raha toa ka ataon’ny solombavambahoaka ny asan’izy ireo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.