Araka ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia telo volana aorian`ny fandraisan`ny ben`ny tanàna ny andraikiny ka tokony hiroso amin`ny fanendrena ny sefom-pokontany izy atsy ho atsy.
Mba tsy fanendrena tsy ho hitan`ny tompon’andraikitra avy any ambony fa miainga avy any amin`ny vondron’olona ifotony dia efa miomana amin`izany ny etsy Andohatapenaka. Miandrandra fampandrosoana tena mipaka amin`ny mponina avy amin`ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny mponina sy ny fokontany ao aminy. Anton`ny fakan-kevitra amin`ny mety ho toetoetran`ny olona tokony hotendrena ho sefom-pokontany. Teny amin`ny CDA Andohatapenaka no nanohizana ny dinika atrikasa ka nahafahan`ny vondrona eny ifotony rehetra sy ireo hery velona rehetra mba hahafahana mamoaka ny lesoka teo amin`ny fitantanana teo aloha sy nanolotra soso-kevitra ny momba izay ho filoham-pokontany ka namoahana ny lisitra izay heverina fa mendrika ka atolotra ho an`ny distrika, ny prefektiora, ny minisiteran`ny atitany ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Adihevitra be nandritra ny fifidianana nifanesy ny resaka hala-bato satria manomboka eo amin’ny sefom-pokontany izany ny hala-bato. Firy sy firy moa ny kandidà no nitaraina noho ny fahitana fa novaina ny sefom-pokontany tato ho ato toy ny mitranga teo Antananarivo toy ny tetsy Besarety, Ivato ? Nahitana izany tranga izany koa tany Antsiranana, ny any Sakaraha, Ihosy, … Tsy dia raharahan’ny olona loatra ireo lehiben’ny fokontany saingy iankinan-javatra maro nefa izy ireo. Samy nampiasa azy avokoa ny mpitondra fanjakana nifandimby teto amin’ny fangalaram-bato amin’ny fifidianana. Fitaovana mahomby amin’ny fangalaram-bato amin’ny fifidianana ny sefom-pokontany satria miankina amin’izy ireo ny vokatra rehetra mivoaka eo ka anjaran’ny antoko sy ny kandidà tsirairay no manao izay handreseny eo anatrehan’izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.