Politique

SeFaFi Tsy afa-po amin’ny fanomanana ny fifidianana


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Toy ny fanaony isan-taona dia nampahafantatra ny tombana mikasika ny fanarahany maso ny fiainam-pirenena tamin’ny taona 2017 tetsy amin’ny toerana iray etsy Ambodivona omaly ny avy eo anivon’ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny Sefafi.

Fanambarana miisa 7 no vitan’izy ireo tamin’ny taon-dasa ka niompanan’izany ny resaka fifidianana sy ny vinam-panovan-dalàmpanorenana ary ny fahafaha-maneho hevitra. Atrikasa miisa 4 niresahana ny fiasan’ny fanjakana, ny tafika, ny haino aman-jery ary ny olana amin’ny fitsaram-bahoaka. Noraketina am-boky ireny ary nasiana tsindrim-peo manokana omaly ny mikasika ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana. Ela no niandrasana azy saingy izao vao tonga. Misy ny maha velombolo ary misy kosa no mbola ahitana lesoka, hoy izy ireo. Mametraka olana, ohatra, ny mikasika ny lisitra amin’ny fifidianana depiote satria mametraka adihevitra ny hoe fihodinana voalohany ihany no hanatontosana azy. Voafaritra ny azo atao sy tsy azo atao amin’ny fampielezan-kevitra saingy tsy voafaritra kosa ny mikasika ny ivelan’izay. Olana koa ny hoe 700 isa ireo mpifidy misahana biraom-pandatsaham-bato 1 satria heverin’izy ireo fa latsaka loatra. Misy ifandraisany tsinona ny famerana ny birao sy izay afaka mankao. Fotoana izao, hoy ny Sefafi, handraisan’ny mpandray anjara politika rehetra amin’ny fanehoan-kevitra ho fanatsarana ny fifidianana satria zava-dehibe ho an’ny firenena ity taona ity. Hita ho tsy afa-po amin’ny fanomanana fifidianana, araka izany, ny Sefafi.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT