Araka ny fehin-kevitra nivoaka nandritry ny fihaonambem-pirenena tamin’ny zoma 8 jolay lasa teo dia hiroso amin’ny fitokonana izany ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao anatin’ny SECES manerana ny nosy manomboka ny alakamisy 28 jolay izao.
Tsy voafaritra ny fetran’ny fitokonana raha tsy voavaly ny fitakiana ataon’izy ireo. Tsy mbola mihatra ihany hatramin’izao ilay didim-pitondrana laharana 2009-1214 sy ny didim-pitondrana 2009-1215 mamaritra ny amin’ny tokony hisian’ny atrikasam-pirenena ho fampahafantarana sy hampirindrana ny rafitra LMD ny amin’ny fanomezana zo ny sendika amin’ny fitakian’izy ireo. Toherin’ny SECES ihany koa ny tsindry atao amin’ny mpitarika ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka raha tsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony mialoha ny 28 jolay ho avy izao. Toy ny isan-taona dia ahiana indray ny hitohizan’izao hetsika izao amin’ny fitokonan’ny mpianatra sy ny mpandraharaha.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.