Maromaro ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny filankevi-pirenena nataon’ny SECES tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 28 -29 jona 2012 teo.
Rehefa avy nandinika ny toe-java-misy mikasika ny fitakiana sendikaly ary ny toe-draharaham-pirenena ny SECES dia nilaza fa manohitra ny tsy firaharahana tanteraka ary ny tsy fahamailoan’ny tomponandraikitra eo amin’ny fitondrana manoloana ny andraikiny amin’ny famahana ny olan’ny oniversite ankehitriny. Koa nanapa-kevitra izy ireo ny hampiato sy hampitsatra ny asa fampianarana rehetra izay notontosaina tao anatin’ny savoritaka sy tsy fanaraham-penitra mikasika ny taom-pianarana 2011-2012. Toy izany koa ny tsy fandraisana anjaran’ny mpampianatra mpikaroka amin’ny fanatontosana ny fanadinana bakalorea 2012. Mitaky ny hanatanterahana haingana ary hentitra ny didim-panjakana telo 2009-1214/1215/1216 tamin’ny 06 oktobra 2009, indrindra ny mikasika ny tambin-karama momba ny fikarohana sy ny fikisahanan’ny mari-karama taloha ho amin’ny mari-karama vaovao izy ireo. Mitaky ihany koa ny fametraham-pialan’ireo tomponandraikitra tsy mahefa, indrindra ny Minisitry ny tetibola sy fitantanam-bola. Rehefa izay dia teny fampitandremana no nataon’ny SECES milaza fa miala tsy ho tomponandraikitra amin’ny taona maty eny amin’ny oniversite 2011-2012, noho ny toetra tsy mahomby sy baranahina ataon’ny Fitondrana izy ireo. Na izany aza dia manamafy ny finiavany hanohy ny fifampiraharahana rehetra hikarohana vahaolana maika sy maharitra amin’izao olana ety amin’ny oniversite izao ny SECES.
Manameloka
Ny SECES, amin’ny maha olom-pirenena azy, dia mahatsapa fa tsy afaka mihalangalana manolona ny olana politika sy toekarena ary ara-piarahamonina eto amin’ny ny firenena. Mahatsapa ny tsy fahombiazan’ny tomponandraikitry ny fitondrana tetezamita amin’ny ny fitantanana ny raharaham-pirenena izy ireo ary koa manameloka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena misy ankehitriny, ny tsy fisian’ny Fahefana any ambanivohitra ka manakana ny asam-pivelomana isan’andro. Mahatsapa ary manameloka ihany koa ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena ; ny fanaovana zinona sy fanosihosena ny fiandrianam-pirenena amin’ny fiantsoana ny tafika frantsay amin’ny ady atao amin’ny dahalo, ny fandraisana anjaran’ny tafika frantsay tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ary ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna eto Madagasikara.
Mikasika ny toe-draharaha ara-toekarena, ny SECES dia manahy ny fitsaharana tsy ho ela ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny mety ho fampiasana vola baoritra na ny «planche à billets». Mahatsapa koa ny fitotonganana tafahoatra mikasika ny harinkarem-pirenena izay 7% lasa 0,2%. Eo amin’ny toe-draharaha ara-piarahamonina indray, ny SECES dia mahatsapa ny fahaverezan’ny tondro ainga (repères) eo amin’ny ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora, ny tsy fandriampahalemana manerana ny firenena ka mitarika hery setra isan-karazany, ny fahalovana sy ny kolikoly diso miharihary be loatra eo amin’ny ambaratonga rehetra, ny fitomboan’ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ary ny fitsoahan-daharana an-tsekoly.
Manoloana izany toe-javatra izany ary ny tsy fahombiazan’ny fampiharana ny tondrozotra, ny SECES dia : mitaky ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny ary manolo-kevitra ho vahaolana ny fifampidinihana eo amin’ny ny samy Malagasy. Ny SECES dia handray anjara amin’ny ny fanatanterahana haingana izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.