Politique

Sazalahy Tsianihy : Tsy maintsy hanara-dia ny vitan’ny FJKM ny vahoaka Malagasy


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Maika ho an’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy.

 Voalohany, ny fiverenan’ny fandriampahalemana haingana eto amin’ny firenena. Ny prezidà Ravalomanana irery no fanantenan’ny vahoaka hamerina ny fandriampahalemana raha ny masoandro ankehitriny no jerena.

Faharoa, ny famerenana ny famatsiam-bola iraisam-pirenena mba hisian’ny famatsiam-bola haingana ho fananganana ny fotodrafitrasa sy ho fananganana ireo orinasa rava noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ary ireo fanampiana ara-tsosialy avy any ivelany.

Fahatelo, ireo mpiompy sy mpandraharaha lasibatry ny fanafihan-dahalo andro aman’alina dia tena tofoka sy leo ny fitondran’Ingahy Andry Rajoelina sy ny forongony. Ireo miaramila vitsy kely mahazo tombontsoa amin’ny asan-dahalo sy fanafihana isan-karazany no hany manana fisalasalana amin’ny fiverenan’ny prezidà Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana fa mahatsiaro ho very tombontsoa. Tafitan’ireo mpizaikan’ny FJKM ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ka nandanian’izy ireo ny filoha Marc Ravalomanana “1er tour de vita” tamin’ny salan’isa 95 %. Ny vahoaka Malagasy dia tsy maintsy hanara-dia ny vitan’ny fiangonana FJKM eo amin’ny famerenana sy ny fifidianana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ihany ny CT Sazalahy Tsianihy.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT