Politique

Sazalahy Tsianihy Tena mihodina tokoa ny tantara


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Tena mihodina araka ny nanambaran’ireo namana azy teny an-kianja tokoa ny tantara, hoy i Sazalahy Tsianihy avy amin’ny Tokobe Telo.

 Mihodina izy io satria naneho ny fahavononany hifampidinika amin’ny Ankolafy 3 ny V-8. Nihodina ihany koa, faharoa, fa mbola niantso ny Ankolafy 3 hifampidinika aminy ihany koa i Monja Roindefo praiministry ny FAT teo aloha. Mihodina satria tsy hain’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy intsony izay laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ka ny fametraham-pialany no tokony hataony. Aminay, hoy ity mpitari-tolona avy any Toliara ity, ny laharam-pahamehana dia tsy ireny trano mora ireny tsy akory fa ny famerenana ireo orinasa nakatona na voatery nikatona noho ny krizy, ny fanomezana asa ireo very asa sy tsy an’asa be dia be eto amintsika ankehitriny, , ny fandriampahalemana, tokony hampanjakain’ny mpitondra manerana ny Nosy, ny famerenana ny famatsiam-bola iraisam-pirenena antoky ny fampandrosoana maharitra. Ary fahadimy sady goavana dia ny fampodiana ireo sesitany politika sy famoahana ireo gadra poitika rehetra mba tsy hisian’ny valifaty sy lolompo fa hisongadinan’ny fiaraha-mijery ny fampandrosoana sy ny tombontsoam-pirenena ary ny fanalalahana ny haino aman-jery.

 

Rainilita

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT