Sazalahy Tsianihy sy ny ankolafy Ravalomanana

> Miala i Attalah Béatrice, ravao ny CES , ahemory ny fifidianana


  • Talata 03 Septambra 2013

Mitaky ny fialan’i Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T sy ny fandravana fanindroany ny mpikambana CES tarihan’ny filohany fa tsy ara-dalŕna no ty manara-dalŕn ary koa mitaky ny fanemorana tsy misy hatak’andro ny datim-pifidianana nofaritan’ny Ceni-t farany teo izahay Ankolafy Ravalomanana, hoy ny MCT Sazalahy Tsianihy, noho ireto antony manaraka ireto izay tafiditra anatin’ny « cas de force majeur ».

Voalohany : tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana dia maro ny trano rava sy fotodrafitrasa potika tsy mbola tafarina hatramin’izao. Maro koa ny very fananana sy tsy manana fonenana hipetrahana . Manjaka ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy,  ny fandrobana fananan’olona, ny fandoroana tanànam-bahoaka miaraka amin’ny fanolanam-behivavy. Tsy tomombana ny “operation karapanondro” hoan’ireo tanora tonga taona ka zary tsy ho afaka hifidy. Mirongatra ny andiam-balala manerana ny Nosy, mananontanona ny mosary amin’ity taona ity. Ritra ny kitapom-bolam-panjakana, tsy mandoa afa-tsy ny karama. Hatramin’ny rahoviana ny fetran’izany ? Tsy eken’ny lalàna nofidiantsika ny fanaovana fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra fihavian’ny orana. Tsy voahaja ny 90 andro hanaingana ny mpifidy handatsa-bato. Ireo rehetra ireo no hilazanay ho antony lehibe manondro ny datim-pifidianana ho ao anatin’ny “cas de force majeur”. Koa manainga ny herivelona rehetra izahay  hanatevin-daharana sy hanampy tosika ny fampihavanana ataon’ny FFKM satria io ihany lalan-tokana hampisy fitoniana sy hivoahantsika amin’ny krizy ary hampisy fifidianana anaty filaminana eto Madagasikara mba hialàna amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny ara-toekarena ataon’ny Frantsay ka hampanekeny  ny “commando” iraisam-pirenena.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT