Elaela tsy tazana an-kianja ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha Sazalahy Tsianihy avy any Toliara nefa tsy mitsahatra amin’ny tolona sy fanarahana ny raharaham-pirenena.
Tsy fanohanana na fanoherana ny fitondrana no zavatra lehibe, hoy izy, fa i Marc Ravalomanana mody no tanjona, izay no nijoroana hatramin’izay ary izay hatrany. Tsy mitovy ny tranga 2009 sy 2014 nefa ny frantsay toa mbola miziriziry. Tsy ny Frantsay no mila ny prezidà Ravalomanana mody an-tanindrazany fa ny vahoaka Malagasy, hoy i Tsianihy. Nanampy izany nambaran’i Marcel fa mbola misy zavatra maro ho azon’ny vahoaka ary be dia be avy amin’i Marc Ravalomanana rehefa tafaverina izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.