Ho an’ny ankolafy Ravalomanana misy anay, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy dia ny fialan’ny minisitry ny fitsarana ankehitriny no hampisy ny filaminana eto Madagasikara.
Antony voalohany hitakianay izany, hoy izy, dia mikasika ny raharahan’i Toliara izay nifanandrinan’ny polisy sy ny mpitsara. Aminy dia tsy tokony ho tonga amin’ireny trangan-javatra mampalahelo ireny ny resaka raha nanaiky ny fifandaminana natao ny zoma 09 desambra nitrangan’ny loza ny tenany fa tsy nangatak’andro alatsinainy hoe hamoahana ilay polisy voatana tany am-ponja.
Faharoa, mbola antony hitakianay ny hialany, dia ny tsy famoahany ireo gadra politika rehetra izay voalaza ao anaty soridalana sady nosoniavin’ireo antoko politika rehetra teny Ivato. Nampanantenaina fa hatao talohan’ny Krismasy io nefa tsy nisy. Ka aminay, hoy i Tsianihy, ny fiandrasan’ny fitondrana tsy hanatanteraka izany dia hiteraka olana vaovao indray eto amin’ny firenena. Tsy mety, araka izany, ny fanatanterahana fifidianana anatin’ny tsy fandriampahalemana, hoy ity mpitari-tolona ity sady ireo polisy no anisan’ny hiantoka ny fandriampahalemana amin’izany ary ireo mpitsara no hamoaka ny voka-pifidianana ary farany tena mbola sahirana tanteraka ny vahoaka ankehitriny.
Mbola nohamafisin’ity CT ity ihany koa ny teny nataony teny an-kianja afak’omaly nilaza fa ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy miankina amin’ny fanjakana tetezamita intsony fa miankina amin’ny tenany manokana satria rehefa nofoanana ny “NOTAM” dia anjarany sisa no manapa-kevitra. Ny resaka “amnistia” indray dia nambaran’i Sazalahy Tsianihy ihany fa raha ny zavatra nitranga tamin’ny taona 2009 dia adihevitra efa lany andro ny mikasika azy io satria mitovy tsy misy hafa tamin’izany ny ankehitriny. Navoaka tamin’izao fotsiny tsy nilana parlemantera ry Voninahitsy sy ry Pety … ka izao efa misy sori-dalana mazava izao milaza ny tokony hiverenan’ireo sesitany an-tanindrazana tsy misy fepetra dia tsy tokony hiandrasana fanapahan-kevitry ny parlemantera velively fa fandaniana andro fotsiny izany. Ho anay any amin’ny Faritra, hoy izy, indrindra ho anay any amin’ny Faritanin’i Toliara dia manana seranan-tsambo lehibe izahay afaka handraisan’ny vahoaka Malagasy rehetra ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana raha manahirana ny FAT ny fahatongavany eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.