Politique

Sazalahy Tsianihy «Na miala Rajoelina na mamitra-pihavanana»


  • Alarobia 23 Mey 2012

May ny endim-boanjon’ny FAT ankehitriny, hoy i Sazalahy Tsianihy.

 Raha ny fitakiana sendikaly misy amin’izao fotoana izao hoy izy, raha tsy hilaza fotsiny isika afa-tsy ny an’ny sehatry ny fampianarana, fitsarana, mpitsabo, ny mpitsabo mpanampy, ny mpiasam-panjakana manome 72 ora ny mpitondra hikarakarany ny raharaha manahirana azy, ny fanambarana ataon’ny mpitandro filamaninana tsara sitra-po, ny fitakian’ny mpanao gazety haneho hevitra an-kalalahana, dia efa manaporofo izay voalaza tery ambony izay. Telo taona aty aorian’ny nanonganana sy nanaovana antsojay ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy ihany izy, dia zavatra telo no azo ambara : voalohany dia mitotongana ny toe-karena eto Madagasikara ka tafiditra ao anatin’izany izay hitan’ny sehatra sosialy fa gaboraraka ny fitantanana ny raharaham-panjakana ataon’ny fahefana mpanatanteraka.

Mbola ao anatin’izany koa dia ataon’ireo mpanongam-panjakana rehetra na miaramila na sivily na mpandraharaha tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Faharoa, mahatsapa ny mpanao gazety sy mpitandro ny filaminana tsara sitra-po fa tsy tanteraka ny fampanantenana natao taminy ary fahatelo dia mahatsiaro ho voafitaka ireo mpanao politika niara-dia tamin’i Andry Rajoelina nanongana ny Filoha Marc Ravalomanana. Noho ireo antony rehetra ireo dia vahaolana telo ihany koa no azon-dRajoelina atao : voalohany mametra-pialàna izy. Faharoa manaiky izy hamitram-pihavanana amin’ny Filoha Ravalomanana izay midika fanatanterahana ny voalazan’ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-16, 17, 18 ary faha-20. Fahatelo : ny tsy fanatanterahan’i Andry Rajoelina an’ireo fepetra voalaza teo ireo dia mitarika avy hatrany ny fionganany amin’ny maha-filohan’ny tetezamita azy, tsy azo hihodivirana io. Marihina, hoy ny CT Tsianihy avy any Toliara, fa tena mitovy amin’ny trangan-javatra niseho tamin’ny taona 2009 ny fitakiana misy ankehitriny ary anisany ny fialàn-dRajoelina fa ny fisian’ny tondrozotra fotsiny no mampiavaka kely azy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT