Politique

Sazalahy Tsianihy Mitohy ny krizy raha Rajoelina no mbola filohan’ny tetezamita


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

Nanaraka ny toromarika amin’ny tokony hijanonanay Parlemantera eto Antananarivo amin’izao fotoana mavaivay eto amin’ny firenena izao izahay avy any Atsimo Andrefana, hoy ny CST Remara Louis sy ny CT Sazalahy Tsianihy.

 Anisan’ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana nanatitra taratasy teny amin’ny birao fifandraisan’ny SADC teny Ivandry izy ireo. Ny dikan’iny dia tsotra, hoy ry zareo : satria ny SADC no nanao ny fanelanelanana teto ary nahatonga ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana ka nampahatsiahy azy ireo ny ankolafy Ravalomanana hoe : aiza ho aiza ny fanatanterahanareo ny andininy faha-16, 17, 18 ary faha-20 amin’io sori-dalana nampanaovanareo sonia ny ankolafy politika maro eto Madagasikara io ? Izay zavatra izay no hitadiavanay valiny ato anatin’ny fotoana fohy, fa raha tsy misy izay dia handray andraikitra izahay.

Ny antony faharoa, matoa izahay nitondra vahoaka teny fa tsy navelanay ho adidin’ny filoha Mamy Rakotoarivelo irery izany dia noho ny fitakianay ny fialan’i Andry Rajoelina tsy ho filohan’ny tetezamita intsony satria raha izy no mbola filohan’ny tetezamita dia tsy tafavoaka amin’ny krizy ny Malagasy ary manjaka eto ny fitantanana gaboraraka toy izany koa ny tsy fandriampahalemana. Eo ambanin’ny fifehezan’ny sori-dalana daholo na ny nanao sonia azy na ny tsy nanao izany ka ny fanesorana tamin’ny toerany ny minisitry ny tontolo iainana Dr Randriamiandrisoa Joseph dia tsy ara-dalàna fa izay nanolotra azy ihany no afaka manala azy. Ka ny didim-panjakana navoaka andro alina dia tsy tokony hialan’ity minisitra ity eo amin’ny toerana mihitsy. Mazava, hoy ireto CST sy CT avy any Atsimo Andrefana ireto, fa manelingelina ny FAT tsy ahafahany manao tantely afa-drakotra ny vola ao amin’ny orinasa Fanalamanga no nanesorana ny minisitra Randriamiandrisoa tamin’ny toerany. Dia mbola resaka fakana vola ankolafa koa no antony nividianana ilay Airbus A340-300 brokantera, hoy ireto Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireto.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT