Politique

Sazalahy Tsianihy “Mipararetra Ambohitsorohitra”


  • Zoma 10 Febroary 2012

Famotsoran-keloka no ambetin-dresaky ny mpanao politika ankehitriny. Ho ahy, Sazalahy Tsianihy mpandrindra ny Tokobe telo, dia tokana ny lalana tokony hirosoana amin’izany, indrindra fa ho an’ny parlemanta roa tonta : ny famotsoran-keloka faobe.

 Io no tokony hirosoana satria io no miantoka ny fitoniana sy ny fandriampahalemana sy fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, fa raha ny famotsoran-keloka hijerena tavan’olana resahan’ny sasany dia hiteraka fikorontanana ary ny olona mieritreritra izany dia azo ambara mazava fa olona te hamboly korontana eto amin’ity firenena ity. Etsy an-kilany koa ilana an’io famotsoran-keloka faobe io ny fanakanan’ny FAT ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana sy ny fisavana ny tranon-janany tany Andranomanelatra andro alina. Tena fanafihana izany na dia ny DST aza no nanao azy ary asan-jiolahy tsotra izao izay hiteraka tsy fandriampahalemana sy tsy fitoniana tokoa.

Ny famerenana ny orinasa Tiko sy Magro anefa no hiverenan’i Tojo Ravalomanana eto an-tanindrazana mba hiverenan’ny tsy an’asa miasa sy hisokafan’ny mpamboly sy mpiompy ary ny mpivarotra amin’ny seha-pihariana miaraka amin’izy ireo. Ireo rehetra ireo dia hamerina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana. Ireny firesahana ny 7 febroary 2009 ireny dia mitanila satria nahoana no tsy noresahina niaraka taminy ny raharaha 26 janoary 2009 fa nisy faty olona koa tamin’izany ary betsaka sady nisy famotehana fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra koa tamin’ireny ? Tsy noresahina ireny, hoy ny CT Sazahaly Tsianihy, noho ny fatahorana ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ary mipararetra noho izany Ambohitsorohitra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT