Politique

Sazalahy Tsianihy Mifandray ny fahantrana sy tsy fandriampahalemana eto


  • Alarobia 04 Jolay 2012

Manam-pifandraisana tsy azo sarahina ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy fitoniana politika eto amin’ny firenena, hoy i Sazalahy Tsianihy.

 Porofo mitohaka amin’ny tendany amin’izany ny zava-misy any Atsimon’ny Nosy ankehitriny, hoy izy, fa lasa fanetriben’ny firenena manala baraka ny ataon’ny mpitandro filaminana malagasy. Zavatra telo loha no hamaritana ny tranga miseho, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Voalohany ny tsy fitokisan’ny vahoaka intsony ny mpitantana amin’izao fotoana izao. Miteraka adim-poko io, hoy izy, fa horobain’ny jiolahy avokoa ny manana rehetra, tsy voatery ho sivily ihany fa ny miaramila koa aza efa niharan’izany.

Ny vahaolana amin’io raha tena handray andraikitra ny fitondrana dia ampitomboina ny mpitandro ny filaminana ary homena fitaovana raitra koa izy ireo hatramin’ny fiara tsy mataho-dalana ka hatramin’ny fiaramanidina hanenjehana ny jiolahy. Ny tena lehibe faharoa dia ny fampiharana ny tondrozotra sy ny fampihaonana ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina eto Madagasikara, homban’ny fandraisana andraikitry ny raiamandreny FFKM izany. Izay no atao, hoy i Sazalahy Tsianihy, mba hampihenana ny tsy fandriampahalemana sy fahantrana efa mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT