Politique

Sazalahy Tsianihy “Mampiato tena i Andry Rajoelina”


  • Talata 24 Jolay 2012

Efa akaiky ny firodanan’ny filohan’ny tetezamita raha tarafina amin’ny zava-miseho ankehitriny, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Tena mampibaribary ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra faramparany teo notarihan’ity filohan’ny tetezamita ity ka nilazany fa miato amin’ny asany ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy hisy fitoniana ara-politika eto Madagasikara vokatr’izany, ary ho henjana ny fijalian’ny vahoaka sy ny fahantrany. Tena mampiato ny tenany i Andry Rajoelina raha manao izany fampiatoana ny mpikambana amin’ny ankolafy Ravalomanana anaty fitondrana izany, hoy ihany ity parlemantera avy any Toliara ity.

Fahadisoana fanintelony io ataony io taorian’ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana, ny Dr Joseph Randriamiandrisoa sy ny fitsabatsabahana mivantana amin’ny fandaminana ny olona tsy manohana azy nefa tsy nahazoana alalana avy amin’ny filohan’ny antoko. Tsy zava-baovao, hoy ny CT Sazalahy, amin’ny ankolafy Ravalomanana ny fanaovana fanairana na fandravana fanapahan-kevitra amin’ny fiatoana noho ny andraikitra politika raisina rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka ny didy raisina fa mandeha ila sy atao amboletra. Fa ny asa fanasoavam-bahoaka sy ny fivoahana amin’ny krizy, ho izy, tsy misy tambiny no tsy maintsy hitadiavana vahaolana. Tsy ekenay ny fitantanana gaboraraka sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena nandritra ny telo taona ka mahatonga ny tsy filaminana ara-tsosialy hirongatra. Izahay dia mitaky mazava ao anatin’izany fisintahana atao izany, hoy ny CT Tsianihy, ny fampiharana ara-bakiteny sy tsy misy tomika ny tondrozotra mba hisian’ny fitoniana ara-politika sy haha marin-toerana ny lafiny sosialy hananan’ny vahoaka manerana ny Nosy fandriampahalemana.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT