Politique

Sazalahy Tsianihy Iny lalana iny mankany amin’ny fahaverezana


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Miandrandra ny famotsoran-keloka faobe ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy, torak’izany koa ny mpanao politika

Ny antony dia mba hivoahana amin’izao krizy lavareny izao. Ny hiran’ny maro an-tanan-dehibe ankehitriny mantsy, hoy izy, indrindra ny eto Antananarivo, dia ny hoe : “Iny lalana iny mankany amin’ny fahaverezana”. Fa jerem-potsiny amin’izao fotoana izao ny faharatsiana sy fahalovana rehetra, hoy izy, toy ny trafikana andramena sy vatosoa isan-karazany mbamin’ny volamena ihany koa. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy sy fanamparam-pahefana ataon’izay mitazona izany ankehitriny.

Manginy fotsiny ny fahantrana lalina mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka noho ny fahaverezana sy tsy fananana asa, ny tsy fahafahan’ny kilonga Malagasy miditra an-tsekoly intsony noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Manampy trotraka izany ny tebitebin’ny tantsaha amin’ny asan-dahalo sy tsy fahasahiranana ara-pambolena noho ny fiakaran’ny vidin-jezika sy masomboly hoenti-miasa. Izany rehetra izany dia ato anatin’ny tetezamita avokoa no miseho ka noho izany dia ny famotsoran-keloka faobe homban’ny fitantanana miaraka no hahatongavana amin’ny fanjakana tsara tantana, milamina sy anaty fitiavan-tanindrazana tanteraka. Manantena ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana koa ny mpanao politika mba hisian’ny fitoniana mitondra amin’ny famahana ny krizy ihany koa.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT