Politique

Sazalahy Tsianihy I Lalao Ravalomanana no tena atahoran-dRajoelina


  • Alatsinainy 15 Jolay 2013

I Neny Lalao Ravalomanana no tena atahoran-dRajoelina mafy, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy, satria tsy mahita hotenenina amin’ity kandidà ity izy rehefa ho tonga tokoa ny fifaninanana fifanasana vangy amin’ny fampielezankevitra.

Na dia eo aza, hoy ity mpandrindra ny KMNR (Komity mpampandany an’i Neny Lalao Ravalomanana) any Toliara ity, ny tsy fitiavan’i Andry Rajoelina ny Prezidà Marc Ravalomanana ho tonga eto an-tanindrazana dia hanaiky izany ihany izy mba hampihemotra ny fionganany. Vonovorona sy fampihorohoroana fotsiny no ataony, hoy ity CT ity, fa hanaiky ihany ny fahatongavan-dRavalomanana Marc izy atsy ho atsy sitrany ahay … Hanaiky ny fifidianana lalàmpanorenana mialoha koa izy na tsy mety aza izany, ary hotohizany koa ny fanalana ireo CT heveriny fa misababaka. Mbola hataony koa ny fomba hampitenenana ny miramila mba hafanafenany ny zavatra tiany hatao sy ataony ankehitriny.

Raha ny amin’ireo mpanelanelana rehetra kosa dia ambarako, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy, fa tsy manam-piniavana ny hamaha ny krizy izy ireo fa maika hamerina ny nataon’ny Frantsay teto Madagasikara. Maninona no tsy ahitan-teny ny SADC fa tsy mbola tanteraka ny andininy faha-16, 17 ary 19 amin’ny tondrozotra ka hilazan-dry zareo fa misy olona tsy maintsy hoverezin-jo tsy hahazo handray anjara amin’ny firotsahana ho kandidà filoham-pirenena nefa Malagasy ray sy reny izao ? Ampitenenin’ny Frantsay na mpikaramanadin’ny Frantsay mihitsy aza raha izay no azo hilazana ireo iraka rehetra tonga teto ireo. Ka tsy azo ekena, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy, ny fanjanahantany amin’ny endriny mifono hafetsifetsena fa malalaka ny vahoaka ny hisafidy izay tiany hitondra ny taniny sy ny fireneny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT