Politique

Sazalahy Tsianihy Efa fantatra fa tsy vonona hilatsaka hofidiana izany Rajoelina


  • Talata 21 Aogositra 2012

Raha ny fihaonana in-droa nisesy natao tany Seychelles dia efa fantapantatra fa tsy vonona hilatsaka hofidiana i Andry Rajoelina, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy.

Taorian’ny fihaonana in-3 miantoana natao tany Maputo, hoy ity farany, dia mbola nahitana taratra kosa fa tsy vonona izy na teo aza ny fanerena nataon’ny mpitandro ny filaminana azy, dia tereny koa ny filoha Marc Ravalomanana tsy hilatsaka. Na teo aza ny hery nananan-dRajoelina tamin’ny 2009 dia efa manomboka miala aminy tsikelikely ireo mpomba azy ankehitriny, hoy hatrany ny CT Tsianihy. Efa mihen-danja koa ny hery am-pelatanany eto amin’ny vahoakan’Antananarivo  ankehitriny ka tsy ho vonona mihitsy izy. Hanaporofoana izany dia efa niteny ny antoko AVI tamin’ny 2010 hoe mirotsaha ianao nefa tsy niteny izy.
 
Efa niteny koa ny vondrona Les AS tamin’ity taona 2012 ity nefa tsy mbola niteny ihany izy. Tsy te hiverina amin’ny fitondran-dRajoelina nampitondra faisana azy ny vahoaka mijaly. Fa etsy an-kilan’izay, ho anay ao amin’ny ankolafy Marc Ravalomanana, hoy ny CT Tsianihy, dia izahay mihitsy no mitaky ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana ary izahay tsy te hieritreritra «2è tour» izany fa  «1er tour» ihany io dia vita ary izay no tsy tantin’ny mpitondra ankehitriny. Ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ihany, hoy ny CT Tsianihy, no vahaolana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tsy fandriampahalemana eto sy ny asan-jiolahy mitombo andro aman’alina izay naka lesona ratsy tamin-dRemenabila ny amin’ny fitondrana andiana jiolahy an-jatony manafika tanàna,  fa ny feon’ny vahoaka dia feon’Andriamanitra.
 
Raha ny fanapahan-kevitra hiverenan’ny ankolafy hanatrika ny fivorian’ny CT sy CST ary ny hanatrehan’ny minisitra ny filankevitry ny govenemanta sy filankevitry ny  minisitra dia nambaran’ny CT Tsianihy, fa manome aina ny governemanta sy ny parlemantera izany satria efa nahatsiaro ireo fa banga ny adihevitra amin’ny tsy fahatongavanay.
 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT