Sazalahy Tsianihy

> Miala i Attalah Béatrice, ravao ny CES , ahemory ny fifidianana


  • Alarobia 04 Septambra 2013

Mitaky ny fialan’i Atallah Béatrice filohan’ny CENI-T sy ny fandravana fanindroany ny mpikambana CES tarihan’ny filohany fa tsy ara-dalŕna no tsy manara-dalŕna ary koa mitaky ny fanemorana ny datim-pifidianana nofaritan’ny CENI-T farany teo izahay, hoy i Sazalahy Tsianihy.

Misy ny antony tsy azo anoharana, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity. Tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana dia maro ny trano rava sy fotodrafitrasa potika tsy mbola tafarina hatramin’izao. Maro koa ny very fananana sy tsy manana fonenana hipetrahana. Manjaka ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy, ny fandrobana fananan’olona, ny fandoroana tanàna arahina fanolanana zaza amam-behivavy. Tsy tomombana ny hetsika fanaovana kara-panondrom-pirenena ho an’ireo tanora tonga taona ka zary tsy ho afaka hifidy. Mirongatra ny andiam-balala manerana ny Nosy, mananontanona ny mosary amin’ity taona ity. Ritra ny kitapom-bolam-panjakana, tsy mandoa afa-tsy ny karama. Hatramin’ny rahoviana ny fetran’izany ? Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra fiavian’ny orana. Tsy voahaja ny 90 andro hanaingana ny mpifidy handatsa-bato. Tsy feno ny fepetra hanatanterahana ny fifidianana, hoy i Sazalahy Tsianihy. Milaza ity farany fa ny fampihavanana ataon’ny FFKM ihany no lalan-tokana hampisy fitoniana sy hivoahantsika amin’ny krizy ary hampisy fifidianana anaty filaminana eto Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT