Politique

Savorovoro teny amin’ny Lapan’Anosikely Samy manana ny heviny ireo CT nanontaniana


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Nanoloana ireny trangan-javatra niseho teny amin’ny lapa maitson’Anosikely tamin’ny alatsinainy 12 septambra ireny dia maromaro ireo CT naneho ny heviny manokana rehefa nanontanian’ny Tia Tanindrazana nivantana.

 Ct avy any Vakinankaratra : Mahagaga ahy ny zava-nitranga fa hoe rehefa any amin’ny Villa Elisabeth ny sasany dia mety ny solontena vitsivitsy miaraka amin’ny lehibe iray mitonona ho V-6 fa rehefa aty amin’ny V-8 dia lasa tsy manan-kery ny solontena vitsivitsy hafa sy ny lehibe iray koa (mikasika ny Les As io). Manala-baraka ny andrim-panjakana ireny zava-niseho omaly alatsinainy ireny na dia olan’ny vondrona Les As manokana aza.

Pasteur Chan Claude CT avy any Toamasina I : Ny fahitako azy amin’ny maha pasitera ahy dia “mi-chambouler” na misamboaravoara ilay mpandray anjara satria miala amin’ny teboka A mankany amin’ny teboka B izy ireo dia misy fandalovana ambony ranomasina misy onja mahery. « Normale » amiko ireny fisamboaravoarana ireny fa anjaran’ny mpanao politika no mijery ny zava-misy arakaraka ny fironany sy tombontsoany. Fa tena handroso ny fanovana eto.

CT Beanjara Paul avy any Vohémar : « Normale » ireny savorovoro ireny fa tsy maintsy misy by teny mampisafoaka ny hafa handraisan’ny hafa ny toerana. Tetikady politika ireny ary misy mibaiko. Mampibolofotra fifanarahana ireny mazava loatra nefa rehefa teren’ny zava-misy dia miravona ihany. Amiko dia manana tombontsoa hifanaraka ny mpanao politika ka misy zavatra tsy maintsy leferina na mampiady aza fa ny soatoavina malagasy dia tsy mandeha amin’ny « à l’extrêmiste ».

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT