« Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena Mr le Président, izaho anisan’ny nogadrainao ».
Notandrohin’ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Gilbert François ampahibemaso ny filoha teo aloha sady filoha lefitry ny FJKM ary filoha mpanorina ny orinasa TIKO Marc Ravalomanana, tao Toliara ny alatsinainy 6 jona teo. Tao amin’ny seranam-piaramanidina Toliara no nitrangan’izany, izay nanaitra ny maro tokoa.
Hiaraka handray sidina hihazo an’Antananarivo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny zanany lahy Maika Ravalomanana izay avy nijery ny hanokafana indray ny Magro tao Toliara sy ity minisitra anisan’ny nahabe resaka ny fanendrena azy ao amin’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ity, izay avy namita iraka tao Toliara nanatrika ny lanonana tao Maninday fametrahana manaraka ny fenitra akademika ny filoha vaovaon’ny oniversiten’i Toliara, niaraka tamin’ny minisitry ny minisitry ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana Rabenirina Jean Jacques, ity farany izay nisolotena ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Profesora Rasoazananera Marie Monique vaotazona tamin’ny fodiamandrin’ny Tale kabinetrany, Rabesaiky Guillaume na Om-Guy, ary tale iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
Tsy nety nandray tanana an’i Marc Ravalomanana ny minisitra Gilbert François raha samy mbola tao amin’ny efitra fiondranana ny rehetra fa nanao don-tandroka ampahibemaso, teo anatrehan’ny Senatera sy depiote ary ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Izao fihetsiky ny minisitra Gilbert François izao dia ahatsapana fa tsy mpiraharaha ny tondrozotra izay efa lasa lalàna izy ary azo antoka fa mitsivalam-pandry manao vato manoha riana misakana ny hisokafan’ny orinasan’i Marc Ravalomanana, dia ny TIKO sy Magro ary ny haino aman-jeriny MBS.
Tsy nahatam-bava moa izy nilaza fa “Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena”. Mazava izany fa fihatsarambelatsihy sy fandaniana andro fotsiny ilay fihaonambe natao teny amin’ny CCI Ivato herintaona lasa izay. Nampirimin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina any anaty vata sarihana ny fehin-kevitra niisa 19 pejy notapahan’ny mpizaika teny.
Ity tranga tao Toliara ity no manaporofo indray fa ny fitondrana mihitsy izao no tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena, ka tsy mahagaga raha marisarisa toy izao ny fiainam-pirenena, dia io tsy matoky ny fitondrana io ihany koa ny mpamatsy vola. Ny Vondrona Eoropeanina aza moa, tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar, naneho ny ahiahiny amin’ny mety hiverenan’ny krizy indray eto Madagasikara. Ny vola 518 tapitrisa euros tokony ho azontsika tao anatin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-11 aza 100 tapitrisa euros ihany no mba tafavoaka, noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana ankehitriny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.