Sivy volana nitondrana ny firenena izay ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany. Maro ny vava sy ny fampanantenana mbola nitosaka tao anatin’izany.
Mety misy ny heveriny fa zavatra goavana sy fampandrosoana vitany. Raha ny fiainana andavanandron’ny vahoaka kosa, dia anisan’ny nisongadina tao anatin’izany ny fahatapahan-jiro lava, ny tsy fisian’ny rano, ny olan’ny famatsiana solika, ny korontana teo amin’ny bakalorea ka hisiana “2ème session”, ny fanendrena governora tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, ny fakana sy fanotofana tany sy tanimbary eny Ambohitrimanjaka,… Ny resaka tany no nanonganany an’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009, saingy io fa haveriny amin’izao fotoana izao. Azo hitsarana an-dRajoelina ho mpitari-bato vilam-bava sy tsy azo hitokisana io. Mihen-danja tanteraka ny herin’ny fitondrana Rajoelina ara-politika, ary efa fomba fiady ny manovaova anarana niainga tany amin’ny TGV, MAPAR, IRD, IRMAR, IRK,… Hiatrika fifidianana ben’ny tanàna isika amin’izao fotoana izao, ka raha ny lojika politika, dia mihatezitra sy tsy afa-po amin’ny mpitondra ny vahoaka. Azo antoka ny hihenan’ny mpifidy ny kandidam-panjakana, raha tarafina amin’io. Ny ao anaty fanjakana koa efa miharihary ny tsy dia fisiana fiaraha-mientana fa toa samy maka ho azy, misy ny mifanjinja noho ny fahatsapan’ny sasany ho lasa anjorom-bala,… Natao fitaovana ny vaton’ny mponina tany an-tsisin-tany tamin’ny fampielezan-kevitra ny fifidianana filoha, ary nisy olon’ny fitondrana mihitsy aza toa nivoy fanavakavahana ara-poko tamin’ireny fotoana ireny. Vita ny nilana azy dia toa hadino, ka anisan’ny teny nivoaka taorian’ireny fitsanganan’ny governemanta ireny hoe: fa aty aminay aty amin’ny faritra ve dia tsy mba misy olona manampahaizana mihitsy? Nandeha ny fanendrena governora fa misy faritra 11 toa natao anjorom-bala tsy mbola nisy fanendrena hatreto, raha toa ka efa nomena tetibola 1,045 miliara ariary hiasana kosa ireo efa notendrena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.