Politique

Savorovoro eto amin’ny firenena Manaitra ireo rafi-panjakana ny Rohy


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Manaitra ny fandraisan’andraikitr’ireo rafi-panjakana mahefa ny eo anivon’ny Rindran’ny Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana (ROHY)

 nandritra ny fanambarana nataony manoloana ireo trangan-javatra  maro samihafa izay niseho ka niteraka resabe sy savorovoro  teto amin’ny firenena tao anatin’ny andro maromaro. Anisan’izany ny fihemorana amin’ny fanatanterahina ny PSE, ny fametrahana ireo governora izay tsy nisy fampahafantarana ho an’ny rehetra sy ny mpanao gazety ny didim-panjakana mifandraika amin’izany, ny fiparitahan’ny laza adina tamin’ny fanadinana bakalôrea teo, ny fanohizana ny tetikasa tanà-masoandro izay tsy mazava loatra ny mikasika ny fandalinana momba ny fahafaha-manatateraka, ny fandrarana ny fivoahan’ireo vehivavy eto an-toerana,…  Takian’izy ireo ny fandraisan’andraikitry ny governemanta mba hampihatra haitondra matotra sy mandala manoloana ireto foto-kevitra ireto : ny fanajana ny lalàna, ny fampiharana ny fangaraharana, ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny mpisehatra rehetra amin’ny fanapahan-kevitra ary ny fanaovana tamberin’andraikitra. Tsapan’izy ireo tokoa mantsy tao anatin’ny 9 volana izay fa  saika ny filoham-pirenena avokoa no mandray ireo fanapahan-kevitra rehetra hany ka zary misalovana fotsiny ireo mpikamban’ny governemanta hafa izay karamaina lafo dia lafo. Hetahatan’izy ireo ny hanatsarana hatrany ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara sy andraikitra amin’ny fiainam-pirenena, indrindra amin’ny fanaovana safidy voahevitra amin’ny fifidianana manaraka rehetra. Izy ireo izay hitondra sy hiaro ny tombontsoan’ny olom-pirenena manoloana ny mpiara-miombon’antoka aminy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT