Tsy tazantazana firy teny an-kianja na ny fivorian’ny Ankolafy Ravalomanana tato ho ato i Rév. Satrobory filoha mpanorina ny antoko AMF/3FM. Sahirana amin’ny fivorian’ny AMCT (Anciens Membres du Congrčs de la Transition) aho, hoy izy fa ny tenako no nofinidin’ireo namana hitondra teny amin’ity fikambanana ity
Ny tsara homarihana, hoy i Satrobory, dia “izahay parlemantera tamin’ny tetezamita no nametraka ny fototry ny fanatanterahana ny Repoblika faha-4 izay niresahana ny firaisam-pirenena ka hajainay fatratra izany zavatra nimatimatesanay izany”. Ankoatra izay dia nanamafy ny hirotsahany ho kandidà Ben’ny tanànan’Iarivo i Satrobory. “Efa valovotaka eto ny tenako hatramin’ny taona 1983 ary hanara-dia ny dingana vitan’ny raiamandreny Monja Jaona no tarigetra amin’izany”, hoy izy. Hanana kandidà maro manerana ny Nosy koa ny AMF/3FM tarihako, indrindra ireo saika ho kandidà solombavambahoaka miisa 11 nefa tsy nahatanteraka izany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.