Politique

Sareraka « Mpandroba no misy eto »


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Mampiteny ny moana ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara. Niala tamin’ny fahanginany hatramin-dRandriazanakolona Yvon na Sareraka,

taorian’ny herisetra nianjady tamin’ny 25 septambra 2016, eo anatrehan’ny fitarainam-bahoaka manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fisondrotry ny saran-dalana, ny fiakaran’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly sy ny fandrobana harem-pirenena mahazo vahana, nefa ny mpitondra manentsin-tadiny. Nahitsy ny tenin’i Sareraka fa tsy misy mpitondra izany eto fa mpandroba. Aminy, roa ny lalana, dia na ny fivondronamben’ny Eveka na ny vahoaka. Efa tsy nitsahatra namaky bantsilana ireo fahalovana sy fositra mamotika ny fiarahamonina sy firenena ny Fivondronamben’ny Eveka, hoy i Sareraka ka izy ireo no tokony handrindra izao raharaha mandrendrika ny firenena izao. Rehefa tsy izay hoy ity mpikambana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ity dia ny vahoaka no mila mandray andraikitra isan-tanàna, manambara ny zavatra tsy manjary eto amin’ny firenena, amin’izay vao mety handre ireo.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT