Ambentin-tenin’ny olona eny amin’ny fiarahamonina sy amin’ireo onjam-peo maro eto an-drenivohitra ny resaka tetezamita vaovao araka ny fironan-kevitra natanjaka nandritra ny fivoriana savaranonandro nokarakarain’ny FFKM tamin’iny 18 aprily lasa iny.
Ao ny mankasitraka fa misy koa ny tsy mankasitraka. Ho an’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia tsy azo ekena mihitsy izany tetezamita faharoa izany manoloana ny fahantrana lalina iainan’ny Malagasy. “Vao mainka zava-doza no miseho raha mihalava ihany ny tetezamita. Zaza latsaky ny 5 taona 70 isan’andro no efa mamoy ny ainy noho ny aretina sy tsy fisiana”, hoy Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa nitatitra ny antontan’isa navoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Aminy dia misy amin’ireo mpanao politika no manao fitaovana politika ireo Raiamandrenim-piangonana efatra mirahalahy.
Nahazo tsindrom-paingotra manokana mihitsy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay ahiany ho mampiasa ankolaka ny FFKM izay mampifangaro ny politika sy ny fivavahana. “Vonona hifampitana amin’ny alalan’ny adihevitra amin’ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny mpanao politika ny tenako momba ny raharaham-pirenena raha ilaina”, hoy izy. Milaza koa ny kandidan’ny Maitso fa hesoriny eo ambany fiahian’ny fiadidian’ny filoham-pirenena ireo andrimpanjakana miady amin’ny kolikoly mba hananany fahaleovantena tanteraka raha lany soa aman-tsara izy. Notanisainy ny Bianco, ny Samifin ary ny Fitsarana ambony fanenjehana ny mpitondra ambony (Haute Cour de Justice) izay mbola hatsangana. Hanao fanambaram-pananana avy hatrany koa ny tenany aorian’ny fahalaniany raha izy no andrian’ny safidin’ny Malagasy 20 tapitrisa na dia tsy teren’ny lalàna hanao izany aza ny filoham-pirenena.
Yves
Saraha Georget Rabeharisoa, filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara (Sary
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.