Politique

Saraha Georget Rabeharisoa Ravao ny CES sy ireo andrimpanjakana


  • Zoma 12 Jolay 2013

Eo anatrehan’ny fahatongavan’ireo mpanelanelana avy amin’ny GIC eto amintsika amin’izao fotoana dia mbola naverin’ny kandidan’ny antoko Maitso amin’ny fifidianana filoham-pirenena nohazavaina indray ny tsy maintsy hanovana ny CES izay rafi-pitsarana najoro hamerenana ny fahatokian’ny Malagasy ny fifidianana.

Ny mifanohitra amin’izay anefa ny zavatra mitranga, hoy i Saraha Georget Rabeharisoa noho ny naha kandida tampoka ny filohan’ny FAT nefa tsy nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana akory ity farany. «Raha ny fampiharana ny lalàna no adidy aman’andraikitry ny CES dia ny lafiny politika indray no nomeny lanja nahatonga an-dRajoelina ho kandida. Tsy azo ivalozana anefa ny didy avoakany», hoy ny filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara. I Andry Rajoelina izay nomarihany fa mbola manohy ny tsy fanajany ny teny nomeny sady manitsaka ny lalàna velona amin’ny fijanonana eo amin’ny toeran’ny filohan’ny FAT nefa efa tokony hametra-pialana hatramin’ny naha kandida azy

Amin-dramatoa Saraha Georget Rabeharisoa dia tsy azo itokisana intsony ity rafi-pitsarana ity izay tokony hamoaka ny valim-pifidianana vonjimaika. Takiany, araka izany, ny fanendrena mpitsara vaovao handrafitra ny CES mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fifidianana sy hampisy ny fitoniana. Miantso ny GIC koa ny tenany, araka izany, mba hanafainganana ny fifampidinihana hirosoana faran’izay haingana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy ny tokony hanovana ireo andrim-panjakana mba ho tena tsy miandany tokoa satria antoka hisian’ny fifidianana milamina izany.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT