Politique

Saraha Georget Rabeharisoa Nametra-pialana tsy ho CST


  • Talata 06 Desambra 2011


 Feno ny kapoaka. Rehefa nampaneno lakolosy in-droa miantoana kanefa tsy nohainoana dia nanapa-kevitra ny hiala am-boninahitra fa tsy hiray tsikombakomba amin’ny FAT intsony ny filohan’ny Maitso, Hasin’i Madagasikara. Nametraka ny taratasy fametraham-pialany omaly Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa. Ao anatin’izay taratasy fametraham-pialany izay no itanisany ireo antony nandraisany izao fanapahan-kevitra izao. “Rehefa nandinika lalina ny tenako dia tonga amin’izao fametraham-pialana izao. Maro tokoa mantsy ny tranga tsy eken’ny feon’ny fieritreretako sady mifanohitra amin’ireo tanjom-pitolomana”, hoy izy.

Mahatsapa ny tenany fa natao resabe fotsiny ny fanovana novoizina “Fanovana no nilokalokana, toa very an-javony anefa ny ezaka izay nataon’ny Vahoaka sy ny Teknisianina raha izao endriky ny fametrahana ny olona ao anatin’ny CST sy CT izao no jerena. Toa mendrika fanosihosena sy tsy firaharahaina ny fahasahiranan’ny Vahoaka sy ny Orinasa”. Ankoatra izay dia mahita koa ny tenany fa hitsakitsahana ny Tondrozotra noho ny tsy fanatanterahana ny andininy faha-21 izay milaza mazava tsara fa tsy misy hatak’andro ny fandrafetana ny “Code d’éthique” sy “Bonne conduite”, noho ny fanilikilihana ny ampahany sasany amin’ny vondrona izay nanao sonia ny Tondrozotra tamin’ny fananganana ny Governemanta sy ny Parlementa izay mety mbola hitohy izany fanilikilihana izany amin’ny fametrahana ny CENI.

Anisan’ny niharan’izay ankilabao izay ny hery afovoany na ny GFC izay misy ny Maitso. Tsy noraharahaina mihitsy ity vondrona ity tamin’ny fametrahana ireo rafitra rehetra araka ny tsiahivin-dRtoa Saraha Georget ao amin’ilay fametraham-pialany. “Voalazan’ny tondrozotra ny tokony hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika, nefa dia tsy tanteraka izany hatramin’izao. Mifandaka atsimo sy avaratra koa ny fandraisan’ny ankolafy samy hafa ny voasoratra ao anatin’ny Tondrozotra ary na dia ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza dia ohatry ny tsy mitovy hevitra amin’ny fandikana ny andininy sasantsasany”. Kianiny koa ny fanaovana be marenina amin’ny fitakiana hanokafana ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny FAT izay marihina fa voalaza ao anatin’ny tondrozotra ny fanatanterahana izany. Manahy moa ny tenany sao hitarika amin’ny fipoahana ara-tsosialy izao zava-misy izao ka aleony manaja tena fa tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpitondra.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT