Politique

Sarah Zoe Ravaonirina Miantso famondronan-kery ho an’ny TIM.K25


  • Talata 12 Martsa 2019

y voatery mahazo seza na toerana vao afaka mandray andraikitra eto amin’ny firenena, hoy Rtoa Sarah Zoe Ravaonirina Filohan’ny Vondron’Olon-Tsotra na ny VOT. Tsy mila tambiny ny fanaovana asa soa ho an’ny VOT, izy.

 

 

 

 

TsTsy natao ho fakana seza na toerana ny VOT, fa mijanona kosa ao anatin’ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana, izany hoe: ao anatin’ny TIMK25. Tsikaritra, hoy izy, ny karazana disadisa rehefa misy tsy metimety amin’ny mpanao politika na tsy araka ny noeritreretiny. Ny solombavambahoaka dia tsy natao hihinana fa hitondra ny feom-bahoaka sy ny hevitry ny vahoaka, miainga amin’ny fanajana ny lalàna. Raha ny teo aloha anefa amin’ny ankapobeny, hoy izy dia lasa fialokalofan’ny mpanao afera maloto, famoretana ny mpiara-belona, fakana voninahitra,… ny teny Tsimbazaza raha ny fahitany azy. Namotika ny politika sy ny toe-tsaina Malagasy ny mahaleo tena satria raha jerena ny ankamaroan’ireo nivadibadika tsy nijoro tamin’ny foto-kevitra sy tsy nitana ny teny nomeny ny vahoaka, dia saika ireo tsy miankina  avokoa, hoy izy. Hafa ihany ny olona manana traikefa, ary ireo olona voafidy dia lany teny ifotony, ka izay ilay fanajana ny demokrasia, fa tsy hoe rehefa tsy tafiditra ao, dia lasa mitady làlana aria sy aroa, raha ny heviny mikasika ny mety ho fifanolanan’ny mpiray antoko ka tsy tokony hitady seza sy tombotsoa manokana noho ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany izy. Miantso famondronan-kery ho an’ny TIM.K25 sy amin’ny vahoaka rehetra Rtoa Sarah Zoe Ravaonirina, izay maneho fa hafa ihany izany voavolavola sy voafehin’ny fitsipika ao anaty antoko politika izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT