Politique

Sarah Georget Rabeharisoa Atsaharo daholo aloha ireo raharaham-pitsarana !


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Ho an'ny filohan'ny antoko Maitso sady mpikambana CST Sarah Georget Rabeharisoa dia tsy tokony hisy raharaham-pitsarana mamofompofona ambadika politika intsony aloha ato anatin'izao tetezamita izao.

 Rehefa mijoro mihitsy ny Repoblika faha-4 vao tokony handinika sy hanadihady ireo karazana dosie momba ny mpitondra teo aloha na mpanao politika ny fitsarana. Araka ny fanazavany ihany dia aleo fitsarana madio sy mangarahara ary mahaleotena no handray an-tanana ireo raharaha mafampana ireo. Na tsy niteny mivantana aza Rtoa Sarah Georget dia mazava ny tiany hambara fa tsy azo antoka ho tsy mitanila ny fitsarana ao anatin'izao tetezamita izao. Tsy mahagaga ny ahiahiny satria olona niara-nitolona tamin'i Andry Rajoelina teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey no minisitry ny fitsarana ary tena mibaribary be loatra ny fitanilana ao amin'ny fitsarana ao. Manaraka izay dia maro ihany koa no mitaraina fa atao fitaovana politika ireo sampandraharaham-panjakana, ka manoloana izany indrindra dia manamafy ny filohan'ny antoko Maitso fa tokony hokarohana ny hevitra sy ny paikady tsy hidiran'ny politika amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka manana adidy lehibe amin'izany ireo mpiasam-panjakana ambony, izay tokony hanaja ny maha teknisianina azy ireo fa tsy ho baikon'ny firehana politika mihitsy. Momba ilay fihaonana an-tampony kosa dia nanambara Rtoa Sarah Georget Rabeharisoa fa vonona ny handray anjara amin'izany ny antokony, saingy mila atao mazava tsara kosa anefa, hoy izy hoe : inona marina no tanjona amin'io fihaonana io, ahoana ny hanatanterahana azy ary iza avy ireo mpandray anjara ?
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT