Marina fa raharahan’ny Fjkm ny sinoda lehibe natao tany Manakara, saingy misy zavatra azo tsoahina, hoy Raveloson Constant.
« Tsy tohina ary tsy nanambinana ary mbola feno manontolo ny fahatokisan’ny Fjkm an’ny filoha Ravalomanana », hoy ity mpitari-tolona avy amin’ny Mfm ity. Tsy Fjkm daholo ny Malagasy, hoy izy, saingy santatry ny be ho avy ireny niseho tao Manakara ireny. Manoloana izany dia niantso ny Malagasy ny tenany mba hanohy ny fitokisana sy ny fanajana natolotry ny Fjkm an’i Marc Ravalomanana. “Ataovy Manakara i Madagasikara manontolo manomboka izao”, hoy Raveloson Constant. Ankoatra izay dia nanao antso avo amin’ny Malagasy manana fianakaviana miaramila koa ny tenany mba tsy hanaiky ho ireo jeneraly telo lahy ireo no hampikatona antsika. “Sahia mamoaka hevitra momba azy telo lahy.
Raha hilefitra isika dia mbola hitohy ny sazy. Ireo no mbola hahatonga ny fonksionera tsy handray karama”, hoy ihany izy. Momba ny fiverenan’ny ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny andrim-panjakana indray dia tsotra no nolazain’I Constant Raveloson. “Izahay raha hiverina dia fanajana ny filoha Ravalomanana. Hijoro sy hampiasa ny fahefana nomena anay izahay hanitsiana ny tsy mety rehetra. Hiverina ao anatin’ny ditranay manontolo izahay”, hoy izy. Araka izany dia tsy hiverimberim-potsiny eo anivon’ireo andrim-panjakana ny ankolafy Ravalomanana fa vonona hanefa ny adidiny eto amin’ny tany sy ny firenena.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.