Kapoka sa felaka sa kapa-ranjo ? Misamboaravoara be ihany ny toe-draharaha eto amin’ny firenena taorian’ny namoahan’ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny lisitr’ireo kandida ofisialy hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena etsy an-daniny, an-kilany ny fanerena ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ny hisintahan’ny telo amin’ireo kandida neken’ny CES, dia i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka, narahin’ny fampiatoan’ny Vondrona Eoropeanina ny famatsiam-bola ny fanatanterahana ny fifidianana. Nihevitra ny maro fa efa akaiky ny hivoahana amin’ny krizy. Ankatoka tokoa mantsy ny fifidianana, nefa izao toa mila ho very indray ny fanantenana, ho maty momoka ireo dinika sy fivezivezena tany ivelany.
Mampisokatra ny masom-panahin’ny Malagasy maro izao zava-miseho izao, ary manomboka mazavazava amin’ny sasantsasany fa fampirisihana ny dinika samy Malagasy, ny fanohanana ireo hetsika rehetra hahatanterahana izany, hivoahana amin’ny krizy, ny fifamelan-keloka, ny fampihavanana mizotra amin’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra, no hevitr’ireo zava-drehetra nisy hatramin’izay raha atao bango tokana fa tsy fankasitrahana ny maha mpitondra manan-jo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na koa ahafahana mirotsaka hofidiana ho amin’izany, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.