Tsy tongatonga ho azy ireo tranga maromaro tato ho ato izay fa ao raha. Araka ny resaka mandeha be teto an-drenivohitra efa ho roa herinandro teo ho eo izao, dia manomboka very hevitra ny FAT tarihin'i Andry Rajoelina ny amin'ny fomba hatao mba hihazonana ny fahefana.
. Mafy be ny tsindry avy amin'ireo ankolafy politika sy ny sehatra iraisam-pirenena ny amin'ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Etsy ankilan'izay anefa, ny Frantsay izay manohana ny filohan'ny tetezamita dia tsy te hahita an'izany Marc Ravalomanana miverina eto Madagasikara izany mandrakizay doria, ary tena manindry bokotra mafy. Misy dikany goavana ny tenin'ny filohan'ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo, teny Ivato sy sabotsy 21 janoary 2012 teo ireny hoe : tokony hilaza mazava ny heviny ny Frantsay fa tsy miolakolaka. Araka ny fandinihan'ny maro azy dia tsy hisy Marc Ravalomanana tafody eto Madagasikara izany, raha mbola i Andry Rajoelina no filohan'ny tetezamita.
Resabe ny ankoatr'izay ! Araka ny tsiliantsofina re aza, dia efa misy tetika handravana mihitsy ny fampiharana ny tondrozotra any ambadimbadika any ; ka voalaza fa mety hisy vondrona manamboninahitra, haka ny fahefana ka hametraka ny fitondrana miaramila na “directoire militaire”. Sinema fotsiny ihany anefa io, fa avy eo dia averina amin'i Andry Rajoelina indray ny fitondrana rehefa rava sy adino io resaka tondrozotra io, dia adino miaraka amin'izay koa ilay andininy faha-20 momba ny fodian'i Marc Ravalomanana.
Manamboninahitra anisan'ny ambony grady, araka ny resaka mandeha sy efa miparitaka amin'ny tranokala, no mety hitarika izany sinema fananganana “directoire militaire” izany, ary anisan'ireo olon'i Andry Rajoelina izy ireo, araka ny tsiliantsofina re ihany. Na ho vy, na ho vato dia tsy hanaiky na oviana na oviana ny fiverenan'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara izany ireo nandrodana azy tamin'ny 2009, ka lohalaharana amin'izany ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina. Efa tena mazava be mihitsy io resaka io ankehitriny. Ary raha resaka tondrozotra izany dia tsy hivakian'izy ireo loha. Azo atao mantsy ny sonia, dia tsy tanterahana indray izay voasoratra rehefa avy eo. Efa nataon'ny ankolafy Rajoelina tany Maputo izany, ary mbola afaka ataony foana. Fehiny dia mihodinkodina am-pitoerana eto isika mianakavy ary tsy hivaha haingana izany ny krizy. Raha tahaka izao koa ny fizotrany dia fifidianana feno hosoka sy hampisavorovoro no hitranga eto, izay tsinona no lojikan'ny fanilihana sy fanavakavahana ary ny tsy fanaovana fampihavanam-pirenena tena izy. Tsy misy fitoniana izany eto raha toa ka mieritreritra ny hanapa-kevitra samirery foana i Andry Nirina Rajoelina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.