Politique

Samihary Floriot «Tokony hesorina ny Praiminisitra»


  • Talata 15 Mey 2012

Tao anatin’izay governemanta nifandimby tamin’ity fitondrana tetezamita ity izay nandritra ny telo taona ngarangidina dia io governemantan’ny fampiraisam-pirenena tarihan’ny Praministra Omer Beriziky io no tsy nahomby indrindra, hoy ny filoha nasionalin’ny TAMAMI, Samihary Floriot raha tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza izy omaly.

 Amin’ny maha mpikambana anay ao anatin’ny Kongresin’ny tetezamita, hoy izy, dia manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asa ataon’ny mpanatanteraka izahay ankoatra ny fandaniana lalàna atao ety. Miadana fiasa ary tsy sahy mandray fanapahan-kevitra matotra fa variana amin’ny resaka diplomasia manavanana azy ny praiminisitra lehiben’io governemanta io. Aminy, hoy izy, dia hita fa tsy natao velively hamahana ny krizy izay mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny ilay sori-dalana nosoniavin’ny rehetra fa nataony hihazonana seza sy hamikirana eo amin’ny fitondrana. Tsy manam-piniavana hanala ny vahoaka anatin’ny lavaka mangitsokitsoka, tahaka ireo rehetra nanao sonia an’io sori-dalana io ingahy Praminisitra, hoy i Samihary Floriot, ka tena mahavery fanahy mbola velona.

Dia mikatso avokoa ankehitriny ny zava-drehetra. Tsy mahagaga moa izany fa izy Praiminisitra aza tsy mahafehy ireo olona feheziny fa samy manao izay saim-pantany ireo mpikambana ao anaty governemantan’ny fampiraisam-pierena ireo. Ireo fitakiana etsy sy eroa efa manginy fotsiny ao anatin’izany ary saika tsy voavahany manontolo ny ankamaroan’ireny. Hamaha izany anefa no nametrahana azy eo ankoatra ny fikarakarana ny fampandehanan-draharaha andavanandro sy ny fikarakarana ny firosoana amin’ny fifidianana manokana ka «rehefa hita fa tsy vitany dia tokony hesorina amin’io toerany io ity Praiminisitra Omer Beriziky ity fa tsy mahomby». Ary ho anay TAMAMI, hoy ihany ny CT Samiharay Floriot dia «tsy tokony hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny Repoblika faha-4 ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mba mba hisian’ny fitoniana sy filaminana eto Madagasikara».

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT