Nitohy tao Sambaina, Distrikan’i Manjakandriana ny sabotsy 21 jolay teo ny fitetezam-paritra sy ny hetsika tolotanana ataon’ny Vondron’olon-tsotra (VOT) manohana an’i Marc Ravalomanana.
Nisy ny fizarana izay tsirambin’ny tanana tamin’ny tsipaipaika nataon’ny mpikambana nanomezana fanampiana ara-tsakafo ireo Zokiolona sy ireo fianakaviana sahirana tao an-toerana. Nisy koa ny fampitam-baovao sy ny fanairana ny fikambanana VOT eny ifotony hanamafisana ny hetsi-pitolomana dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy fiomanana amin’ny fandaniana azy indray eo amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Naneho ny fahavononany ny vahoakan’i Vakiniadiana fa tsy hihemotra amin’ny tolona nataony ary manamafy hatrany ny fitakiana ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. «Tokinay izy ary vao mainka manamafy ny fanohananay azy ny zava-misy ankehitriny. Tsy mivadim-pitokisana aminy izahay», hoy ny vahoaka niatrika ity fihaonana ity. Ankoatra izany dia nisy ny fitrotroana am-bavaka an’Atoa Filoha sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-miasa amin’ny fiatrehana izao dinika ataon’izy mianaka atsy Seychelles.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.