Politique

Sakoroka tao Amparihigidro Namaly an’i Alain Ramaroson ny lehiben’ny Faritra Boeny


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Nivadika ho ady eo amin’ny lehiben’ny Faritra Boeny, Rasoloniaina Jean Noel, sy ny CST Alain Ramaroson ny savorovoro tao Amparihigidro, Mahajanga ny sabotsy 20 aogositra lasa teo.

 Raha tsiahivina dia nisy ny sakana tamin’ny kodiarana nodorana sy tora-bato nataon’ireo Fokonolona avy amina tokantrano 23 nanda ny fanesorana azy amin’ny toeram-ponenany tamin’ireo tompon’andraikitry ny tanàna sy ny Faritra izay tonga hanala azy ireo. Tafiditra tao an-tanànan’Amparihigidro ihany anefa ilay orinasa izay tokony hanototra ny ampahany amin’io tany io mba hananganana trano ho an’ireto fianakaviana ireto rehefa niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg izay nandefa baomba mandatsa-dranomaso. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra, Rasoloniaina Jean Noel, dia hanamboarana “Trano Mora” 100 isa amin’io toerana io ka efa nomena fampilazana fialana in-telo miantaona ireo olona ireo.

Tsy alefa lavitra anefa izy ireo fa afindra eo akaiky eo ihany ary izay no antony anotofana ilay tany, araka ny fanazavany ihany. Noho io savorovoro io anefa dia najanona aloha ny tetikasa ary nesorina koa ireo mpitandro ny filaminana. Raha nidina tany an-toerana anefa i Alain Ramaroson ny talata teo dia namory vahoaka tao Amparihigidro ary nilaza fa tsy maintsy ataony izay hanesorana ny lehiben’ny faritra amin’ny toerany. Tsy taitra amin’ny rahombava koa anefa Rasoloniaina Jean Noel izay nilaza fa “anjaran’ny filohan’ny FAT no manala ahy raha misy tsy mety nataoko ary manana lehibe ihany koa izahay dia ny minisitry ny fanajariana ny tany”.

Nambarany fa efa nifampiresaka mivantana tamin’i Andry Rajoelina momba ity raharaha ity koa ny tenany. Nisy koa anefa ny tsindrom-paingotra nalefany ho an’ireo mpanenjika azy ka nametrahany fanontiana hoe : “taiza foana ireo olona ireo tamin’ireny safodrano nahazo ny vahoaka ireny fa izao vao be vava ? Tokony ho fifanomezan-tanana ho fampandrosoana no atao fa tsy mampisavorovoro toy izao !”. Tsy ny lehiben’ny faritra Boeny ihany izao no manana olana amin’i Alain Ramaroson fa ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul Ramasitera, koa. Araka ny nambaran’ny iray amin’ireo lehiben’ny Faritra 22 dia efa nisy ny fikasana fametraham-pialana faobe nataon’izy ireo miaraka amin’ny minisitry ny fanajariana ny tany noho ny fitsabahana andraikitra ataon’ity mpikambana ao amin’ny CST ity.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT