Politique

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Nihaona tamin’ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier teny Mahazoarivo ny Delegasionina mafonja avy amin’ny kongresy Amerikanina omaly.

 

 Nitarika azy ireo i Bob Goodlate, Filohan’ny Kaomisionina ny raharaha ara-pitsarana eo anivon’io kongresy io sy ny Masoivoho Amerikanina eto amintsika Robert Yamate, narahin’ny loholona Repoblikanina sy demokraty, ary mpikambana avy amin’ny kaomisionina voalaza etsy ambony,… Isan’ny anton-dia lehiben’izy ireo ny momba ny resaka filaminana politika, indrindra ny fanatanterahana ny fifidianana, ka nanindry mafy amin’ny tokony hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny Masoivohony Robert Yamate. Mila malalaka ny fifidianana filoham-pirenena, ka tsy tokony hisy velively izany “ni…ni…” izany. Tokony hajaina ny fe-potoana efa voafaritra, dia amin’ny 2018. Mety efa manahy ny kajikajy maloto amin’ny fanemorana ny fifidianana ny Amerikanina. Nifanakalo hevitra tamin’ny praiminisitra momba ny zava-misy ara-tsosialy, toekarena, ary indrindra ny fampandrosoana ihany koa anefa izy ireo. Isan’ny dia lehibe ataon’ireo delegasinina Amerikanina ireo eto amintsika ihany koa ny resaka fifanaraham-piaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta amina lafin-javatra mafonja maro, indrindra fa ireo mahasahana ny fiainam-bahoaka mivantana. Nanontany ny hetahetan’ny Praiminisitra amin’ny zava-dehibe andrasan’ny Malagasy amin’ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta ireo delegasionina ireo. Amin'ny ankapobeny, mbola tsy ampy ny loharano ara-bola anatiny, na dia eo aza ny fiaraha-miasa efa mandeha. Noho izany, zava-dehibe ny handinihana drafitra iray hampitomboana ny fanampiana ara-bola mba hanatsarana ny fiantraikan'ny tetikasa fampandrosoana  amin'ny firenena manontolo mihitsy, hoy ny praiminisitra.


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT