Politique

Sakaizam-bahoaka Behoririka Mila mandini-tena lalina ny mpanao politika


  • Alakamisy 05 Jona 2014

Tokony nifarana niaraka tamin’ny fitsanganan’ny Repoblika faha-4 ny disadisa sy adilahy politika. Andraikitra lehibe takiana amin’ny filoham-pirenena vaovao ny fanarenam-pirenena sy ny fampiharana ny tondrozotra tena antenain’ny vahoaka Malagasy, hoy Randrianomanamahaleo Narcisse avy amin’ny fikambanana “Sakaizam-bahoaka Behoririka”.

Ny fahatanterahan’ireo no tena midika fa voahaja ny lalàna, ny demokrasia ary ny zon’olombelona eto Madagasikara, hoy ny fanampim-panazavany. Amin’ity fikambanana ity dia mila mandini-tena lalina ny mpanao politika satria dia mbola hita taratra amin’izao fitondrana izao ny fanjakazakana firehana tokana. Iray ihany ny MAPAR sy ny HVM mitondra firenena ankehitriny izay tsy iza fa ny TGV tamin’ny fitondrana tetezamita. Tena mijaly ny vahoaka ka mila mijoro ny antokom-bahoaka matanjaka dia ny Tiako I Madagasikara miaraka amin’ireo antoko sy fikambanana tena liam-pivoarana, hoy ity tompon’andraikitry ny fikambanana ity. Soso-keviny ihany koa ny tokony hanajan’ny Tafika Malagasy ny fianianana izay nataony ho tombontsoan’ny firenena fa tsy hanao politika hitadiavana tombontsoa manokana. Amin-dRandrianomanamahaleo Narcisse dia sokajiany ho sarimihetsika ny zava-misy eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka amin’izao fotoana izao. Ny tena tanjon’io dia ny fanilihana ireo antoko hafa ankoatra ny HVM sy ny Mapar, hoy ny tenany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT