Politique

Saika hidina an-dalambe Ny Emmo-Reg no tonga aloha


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Nanamarika ny andron’ny sabotsy 24 martsa teo ny fikasan’ireo andian’olona mitonona ho mpanohitra ny FAT hidina an-dalambe hankalaza ny faha-telo taonan’ny tolona teo amin’ny Tsangambaton’ny fahaleovantena saingy nitsefotra izany satria efa ny Emmo-Reg no niatrana nialoha teo ka dia rava maina ny hetsika.

 Raha ny fanazavana azo tamin-dRazafindrainony Lala Béryl, lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I, dia nisy tokoa ny nangataka fahazoan-dalana taminy hanao hetsika ka tamin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana izany fangatahana izany. Rehefa nantsoina anefa ireo mpitarika tao amin’ny Magro dia nilaza fa tsy izy ireo no nanao ny fangatahana satria ny azy ireo dia ao amin’ny Magro Avaratsena ihany ny hetsika atao fa ny ivelan’izay dia tsy misy hifandraisana ao mihitsy. Araka izany dia tsy nahazo fahazoan-dalana hanao famoriam-bahoaka ireto vondron’olona ireto ka izay no nandravan’ny mpitandro filaminana azy. Nanamafy ny lehiben’ny Distrikan’Antsirabe I fa “raha fotoam-bavaka ho an’ny tanindrazana dia tokony ho any am-piangonana no atao ary raha fahatsiarovana tolom-bahoaka izany dia tokony hisy didim-panjakana mamaritra azy toy ny fetin’ny 29 martsa izany”. Nambaran’ny lehiben’ny Distrika moa fa tsy fotoan’ny fidinana an-dalambe izao satria efa ny tondrozotra no mibaiko ka ilaina ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT