Politique

Sahy miala marina ve ?


  • Alarobia 08 Mey 2013

Hanao veloma ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny anio i Pierrot Rajaonarivelo, izay efa nilaza fa hametra-pialana mialoha fa tsy hiandry ilay 60 andro mialoha ny datim-pifidianana.

 Mazava ny heviny sy ny antoko tarihany fa aleo miroso amin’ny fifidianana amin’ny 24 jolay, tsy ekena ny fanitarana ny tetezamita sy fanemorana indray ny datim-pifidianana. Fa mba ahoana kosa ny momba ireo kandida mitana andraikitra ambony ato anatin’ny tetezamita, izay efa tena misy manao fampielezan-kevitra tsotra izao mihitsy no sady mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany ihany ? Ny ankamaroan’izy ireo dia manizingizina fa tsy maintsy atao amin’ny 24 jolay ny fifidianana. Nokianina ny FFKM fa hoe manao fanonganam-panjakana.

Tena ho sahy hametra-pialana marina ve ry Andry Rajoelina, Rasolosoa Dolin, Hajo Andrianainarivelo, Lahiniriko Jean, Edgard Razafindravahy, Roland Ratsiraka ? Sa mbola manao izay azo atao rehetra amin’ny fahefana sy ny vola eo am-pelatanana aloha ka rehefa tsy dia misy mimenomenona sy manakiana firy dia mijanona eo ihany fa tsy misy miala izany ? Tsy i Pierrot Rajaonarivelo no mpanao politika tena tonga lafatra, fa mba nampiseho kosa izy fa tena aleo miala ao anatin’ilay fitondrana mihitsy aloha, rehefa navoakan’ny CES ny lisitra ofisialy manamafy fa kandida ny tenany. Nanomboka tamin’ny fivoahan’iny lisitra iny mantsy dia efa kandida filoha no hisokajiana azy 41 mianadahy, ka ny fihetsika na ny teny avoaka dia efa azo raisina fa fampahafantarana ny tenany sy ny fandaharanasany avokoa, izany hoe propagandy. Manahirana ny mahita minisitra na olom-panjakana mbola mazoto mitokana zava-bita ihany kanefa, izy dia efa kandida. Tsy ny fitokanana ny zava-bita akory no ratsy, fa fomba an-kolaka nanaovana propagandy izy io teto amintsika, ka raha tonga tokoa ny fotoan’ny fanovana, dia tokony efa hiova avokoa izany fomba fanao noheverina fa tsy nety sy nanakianana ny mpitondra teo aloha nifandimby izany. Azo antoka koa fa hahazo rariny kokoa amin’ny mpifidy ireo kandida mahay manaja tena ka tonga dia mametra-pialana fa tsy midongy toerana ao anaty tetezamita ao ; maika hiroso amin’ny fifidianana kanefa sady mankamamy ny seza ihany. Mamy ny atsy, fy ny aroa e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT