Efa vita tamin’ny faramparan’ny herinandro teo ny fifantenana ireo olona handrafitra ny governemanta vaovao, raha ny tsiliam-baovao.
Tsy navoaka aloha satria tsy maintsy mbola nivory teny Mahazoarivo. Iaraha-mahita rahateo ny voinam-pirenena. Niely ny feo omaly hariva, fa ho raikitra ny fanovana, saingy tsy tanteraka izany. Minisitra maro no voailika, raha io loharanom-baovao io. Tapitra tamin’izay herintaona izay ny fiarahana (Alliance politique) fa mba handeha irery amin’izay ny MAPAR-IRD. Ho sahy hanilika ireo lehiben'antoko ve i Andry Rajoelina ? Ny ho fivoakan’ny endriky ny governemanta ho avy eo no hamaly izay. Ara-politika, poizina anaty governemanta ireo lehiben'antoko. Miasa mba hampatanjaka ny antokony ary efa nisy minisitra nilaza mihitsy aza herintaona lasa izay fa ny antokony sy ny olony aloha. Tena mihazakazaka be ny fametrahana ny olony anaty sampandraharaham-panjakana samihafa any, ary sokajiana ho “super-ministre” tena mampiteny ny anarany mihitsy. Tany amin’ny fifidianana solombavambahoaka no mbola somary voahaja ilay hoe vovonana politika fa taty amin’ny ben’ny tanàna dia niseho ny fifaninanana masina. Azo adika ihany koa ho fifandrafiana satria nisy kandida avy amin’ny antokon’ireo minisitra sasany no nifaninana tamin’ny IRK tamina faritra maro. Efa hita teto tamin’ny tetezamita ny fisiana olon’ny governemanta toa tena nanangom-bola be ary tampoka teo lasa kandida filoham-pirenena. Variana amin’ny politika dia avy eo tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha, ary misy aza tena mety sakana na loharanon’ny olana mihitsy. Efa manana maro an’isa ny IRD ao Tsimbazaza, manana ben’ny tanàna betsaka indrindra, ary lojika raha mety handeha irery amin’izay ny filoha sy ireo tena ekipany. Mety hitombo ny fahavalo, saingy safidy politika io, ka ny filoha no tompon’ny teny farany ao anatin’izany. Izay ho fitsimbadihana amin’ny ora farany no tsy hay fa raha ny tsiliam-baovao aloha, dia maro ireo mpikamban’ny governemanta hodakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.